Tranon-kala ofisialin'ny valan-javaboaharin'i Masoala.

Ahazoanao ireo vaovao isan-telovolana
Homano ny dianao !
 Ireo valan-javaboharim-pirenena hafa eto Madagasikara
 Zaram-potoana mifamaly
Fitsidihana an-tsary

 Ireo fitambarana valan-javaboharim-pirenena
 Ankapobeny
 Valan-javaboharin'i Masoala
Ny morontsiraka andrefana
Andranoanala
 Nosy Mangabe
 Ny vala an-dranomasina
 Maroantsetra sy ny manodidina azy

Ny faritra mitokana an'Andranoanala

 

Inona no azo jerena ao ?

Ny valan-javaboharim-pirenena mitokana an'Andranoanala dia miavaka noho ny fananany ala amorontsiraka. Tsy dia sarotra ireo lalan-kely ao anatiny ary mora ho anao ny mahita ireo voron-drano eny amin'ny honahona ao anaty valan-javaboharim-pirenena. Anisan'ny reharehan'ny toerana ny fananany zava-maniry mpihinana biby kely: Nepenthes masoalensis. Miankina amin'ny vintanao kosa ny mety na ny tsy mety ahitanao voay eny amoron'ny renirano.

Ity faritr'alavelona ity dia hita any amin'ny morontsiraka atsinanana. Raha ohatra ianao ka nisafidy ny andeha mianatsimo, misy lalan-kely iray mitondra hatrany amin'ny tendron'i Masoala. Andalovanao ireo tanàna kelina mpanjono. Izy ireo dia tora-pasika fotsy na mena, miaraka amin'ny solampy malefaka tapatapahin'ny honko sy renirano.

 

 

Ahoana ny andehanana any ?

Raha avy ao Antalaha, azo atao ny manofa bisikileta, na mandeha taxi-brousse, fa raha tianao ny hiadana kokoa dia tsara ny manofa fiara manokana mandra-pahatonga ao Ambohitralanana, tanàna lehibe izay ahazoanao hisakafoanana sy hatoriana. Fa raha tianao ny hatory akaiky ny valan-javaboharim-pirenena, dia 7 km eo ho eo sisa no atao tsy hahatongavana any Ambodirafia sy ny tendron'i Masoala. Eo amin'ny 3 ka hatramin'ny 4 andro eo ho eo izany sisa raha atambatra ny dianao.

Nepenthes masoalensis

Pejy fanolorana - Tsy azo adika- Adiresy mailaka : info@masoala.org
Tranon-kala vatsian'ny
Tsidiho ireo tranon-kalan'ny Wildlife Conservation Society, sy ny Zoo Zurich ary ny ANGAP