Tranon-kala ofisialin'ny valan-javaboaharin'i Masoala.

Ahazoanao ireo vaovao isan-telovolana
Homano ny dianao !
 Ireo valan-javaboharim-pirenena hafa eto Madagasikara
 Zaram-potoana mifamaly
Fitsidihana an-tsary

 Manodidina an'i Masoala
 Makira
 Marojejy
 Mananara
 Antalaha

Fitsidihana ny tanànan'Antalaha

Hatramin'ny faran'ny taonjato faha XIX, dia mbola tanàna kely Antalaha. Ny fidiran'ny fambolena lavanila sy ny fanamboarana ny seranan-tsambo no nampandroso azy. Talohan'ny ady lehibe faharoa, dia efa anisan'ny mpamokatra lavanila nanan-danja teto amin'ny nosy Antalaha, nanondrana hatramin'ny 50% vokatra eran'izao tontolo izao. Eny fa na hatramin'izao aza izy dia mbola mitahiry ny maha "tanan-dehibe eran-tanin'ny lavanila" azy ihany.

Afaka miakatra ny "nono" somary miankandrefana ny tanàna ianao raha tia ahita ny hatsaran'ny manodidina. Ny lafiny amin'ny sisin'ny ranomasina dia ahitana ireo trano tsara tarehy, mbola ahitana ny endriky ny tranon'ny mpanjanantany ny sasany amin'izy ireo. Ilaina noho izany ny mitsangatsangana na koa milomano mihitsy.

Ny tanànan'Antalaha dia malaza amin'ny famokarany lavanila. Miaraka amin'ireo tanàna sasany any avaratra atsinanann'ny nosy, dia somebiseby ao Antalaha rehefa tonga ny fihotazana ny lavanila. Ny asa atao amin'ny lavanila, izay mila fahavononana sy fahaizana, dia nolovaina tamin'ireo razana taloha ka manjary fahazarana. Ny fikarakarana azy ity dia ahitana ambaratonga samihafa izay samy manan-danja avokoa. Miainga amin'ny fambolena ka hatramin'ny fikarakarana ny voany hamidy.


Pejy fanolorana - Tsy azo adika- Adiresy mailaka : info@masoala.org
Tranon-kala vatsian'ny
Tsidiho ireo tranon-kalan'ny Wildlife Conservation Society, sy ny Zoo Zurich ary ny ANGAP