Tranon-kala ofisialin'ny valan-javaboaharin'i Masoala.

Ahazoanao ireo vaovao isan-telovolana
Homano ny dianao !
 Ireo valan-javaboharim-pirenena hafa eto Madagasikara
 Zaram-potoana mifamaly
Fitsidihana an-tsary

 Inona no atao any Masoala
 Hetsika dia tongotra
 Hetsika an-dranomasina
 Fijerena ireo trozona
 Fitsangatsanganana an-dakana
 Lavanila
 Ireo zotra aleha

Inona no azo atao any Masoala

Ireo rehetra azo atao manodidina ny valan-javaboharin'i Masoala dia mazava ho azy fa mifandray amin'ny toerana. Masoala dia toerana mahafa-po ireo tia ny tontolo natiora sy ireo tia mandeha an-tongotra, na izany aza anefa ny helodranon'i Antongila dia ahitana ireo zavatra tsy ampoizina. Ny fahatongavan'ireo trozona dia manintona tokoa ireo mbola tsy nahita maso ity biby goavambe ity izay kinga sy mailaka. Ireo valan-dranomasina manodidina ny saikanosy dia azo hanaovana ankiletika tsara ary matetika dia azo atao hatrany ny mitsangatsangana manodidina ny morontsiraka atsinanan'ny saikanosy, hanamarinana fa ny ala mando lava dia mijoboka marina anaty ranomasina. Azo heverina koa ny manomana ny zavatra atao rehetra mianga avy any Maroantsetra na Antalaha ary aza misalasala ny mametraka ireo fanontaniana amin'ireo mpanoro lalana izay anisan'ny manatanteraka izay ilainao, satria ny tanjona dia ny hahafa-po tanteraka anao. Izany dia anisan'ny antoka apetraka.

 


Pejy fanolorana - Tsy azo adika- Adiresy mailaka : info@masoala.org
Tranon-kala vatsian'ny
Tsidiho ireo tranon-kalan'ny Wildlife Conservation Society, sy ny Zoo Zurich ary ny ANGAP