|
Jereo ny ala !
Ny fialamboly voalohany eny amin'ny faritra manodidina
dia mazava ho azy fa ny ala mikitroka izay nandritra
ny arivo taona lasa no efa nivelatra sy niroborobo tao
amin'ny saikanosin'i Masoala.
Raha mandalo ny faritra manodidina ianao dia sarotra
ny hanakana anao hahatsapa fa ny tontolo dia rakotra
loko maitso. Ianao ihany dia afaka hahalala sy mizaha
ny akanton'ny tontolo toy ny hazavàna izay toa
mibango ny tany, ary aza gaga raha sendran'ny orana
satria ny alan'i Masoala dia iaraha-mahalala fa ala
manoran-dava.
Ezaho mba ho malina ny sofinao, toy ny fihainoana ny
feon'ireo biby kely manidina ,
ny sahona, ny vorona ary ny kiak'ireo Varignena manako
anaty ala manontolo. Ho fantatrao fa ireo maso efa zatra
ihany no afaka mijery io tontolo feno misitery io. Impiry
ianao no nandalo teo akaikina tanalahy na koa antafisaka.
|