|
Ny tontolon'ny biby kely dia anisan'ny mahavariana
kanefa mbola vitsy mpahalala indrindra ao amin'io
faritra io satria any ambany hodin-kazo rehetra
any dia mety ahitana karazany tsy mbola fantatra.
Noho izany , Masoala dia azo lazaina ho paradisan'ireo
mpikaroka. Fikarohana maro no efa nifototra momba
ireo karazana lolo sy ireo karazana voangory.
143 karazana no efa voakaroka ka ny 84 amin'ireo
dia tsy hita raha tsy eto Madagasikara. Fa na
ho an'ireo olona mbola tsy zatra aza dia tsara
ny mizaha sy ny mahita ireo karazana biby kely
hafahafa bika toy ny biby kely lava tenda, ireo
karazana famakiloha, fa indrindra ny hankaton'ny
lokon'izy ireo.
|
|
|
|
|
|
|
Ireo biby kely "giraffe",
anisan'ny mahavariana ny malagasy
|
Valala
|
Hitanao ve? Karazana famakiloha
miery amin'ny tahon-kazo
|

|