|
Ireo fanisana natao tamin'io faritra
io dia nahafantarana fa ny biby mandady ao dia ahitana
69 karazana, ao anatiny ireo karazany tsy hita raha
tsy ao Masoala.
Ny
tanalahy indray dia fantatra indrindra amin'ireto
toetra telo ireto. Ny voalohany amin'izany dia ny
tsy fifampiankinan'ny fihetsik'ireo masony roa, afaka
mijery ny manodidina azy izy amin'izany na tsy mihodina
aza ny lohany. Izany toetra ananany izany koa dia
manampy azy be dia be amin'ny fihazàna ireo
bibikely manidina, miaraka amin'ny lelany izay matetika
lava noho ny vatany manontolo. Fa ny tena mampiavaka
azy dia izy mahay manova loko araky ny toerana misy
azy. Manampy azy tokoa io toetra iray io amin'ny fiereny
ireo biby hafa fa eo koa ny fifandraisanay amin'ireo
mitovy aminy (ohatra amin'izany ny fifandonana eo
amin'ny fikatsahana vaviny).
| Ny bibilava rehetra koa dia tsy
misy mahafaty, toy ny dö malagasy
izay manempotra ireo hazany alohan'ny hihinanany
azy. |
 |
 |
Ny toko Phelsuma no ahitana
ireo katsatsaka fanevan'i Madagasikara izay tsy
mivoaka raha tsy amin'ny alina. Izy ireo dia mora
fantatra amin'ny lokon'ny lamosiny maitso ahitana
pentina mena. |
|
|
|
|
Uroplatus
fimbriatus no
karazana tafisaka lehibe indrindra eto ambonin'ny
tany, izay efa nizatra ny fiainana alina. Mba
hiarovany ny tenany amin'ireo biby hafa dia
mifangaro amin'ny zavatra ipetrahany izy. Ny
endriny somary mampitahotra dia mahatonga ny
fiheveran'ny malagasy fa avy amin'ny fanahy
ratsy izy.
|
|
|
|