|
Ireo biby mampinono
Folo karazana ireo gidro
voaisa tao amin'ny valan-javaboharin'i Masoala.
- Fito karazana ireo biby homana biby hafa. Masoala
dia anisan'ireo toerana nahitana biby tsy dia fahita
firy toy ny karazana "mangouste" (Salanoia
concolor). Ity karazany iray ity dia sarotra fantarina
raha samy biby mpihinana biby hafa malagasy.
- 16 karazana amin'ireo biby mpihinana bibikely,
ao anatin'ny fianakavian'ny sokina (Tenrecidae)
no fantatra ao Masoala.
- 9 karazana ireo karazana "rongeurs" voaisa
hatramin'izao ao anaty valan-javaboharim-pirenena.
- 14 ireo karazana ramanavy. Maro ireo fikarohana
izay mampiseho fa ny saikanosy dia manankarena amin'ny
karazana ramanavy. Ny fandalinana ny foto-tsakafon'ny
fanihy ohatra no ahafahan'ny mpikaroka milaza fa manan-danja
lehibe tokoa ity biby ity amin'ny fanaparitahana ny
voan'ny hazo anaty ala.
|