Tranon-kala ofisialin'ny valan-javaboaharin'i Masoala.

Ahazoanao ireo vaovao isan-telovolana
Homano ny dianao !
 Ireo valan-javaboharim-pirenena hafa eto Madagasikara
 Zaram-potoana mifamaly
Fitsidihana an-tsary

 Ny mponina
 Mpamboly sy mpanarato
 Fady
 Tantara

Fady

Hita ao Masoala ny fady toy ny any amin'ireo faritra hafa eto Madagasikara. Ny sasany amin'ireo fady ao Masoala dia matetika mifandray amin'ny biby sy ny zava-maniry: amalona, soka-dranomasina, ny sasany amin'ireo karazana gidro, farihy sy ala. Fady ohatra ny mitondra ireny zavamaniry mihinana biby kely ireny amin'ny tanàna satria hinoana fa mitondra tondra-drano. Fady koa ny mikasika "amboalava" (tanalahy) indrindra fa ny "rantotro" (androngo Calumma parsonii) satria mitondra vitan-dratsy. Fady ny manonona ny anaran'ny voay raha sendra mahita tampoka any amin'ny faritra atsinanana.

Ny fady dia mety ho an'olo-tokana, olo-miaraka na koa an'ny fianakaviana. Tokony hajaina lalandava izy ireny. Tsara kokoa ny manontany ireo tompontany na ireo mpanoro lalana indrindra any amin'ny faritra atsimon'ny saikanosy izay mbola mitàna tantaraka ireo fady. Fady ihany koa ny milomano amin'ireo renirano sasany satria matetika izy ireny ipetrahan'ireo fanahy ratsy.

Sarotra ho an'ireo tsy dia minomino foana indrindra fa ny vazaha ny hanazava ny zavatra sasany satria tsy maintsy mila valiny voaporofo foana mifanaraka amin'izany, fa na ho an'ireo mino na ireo tsy mino, ilaina hatrany ny fankatoavana ny kolontsaina sy ny fomban-drazana eo an-toerana, izay tsy natao handraràna ihany fa mety hifaliana koa amin'ny andro fety, ka na izany ho famalifaliana ny razambe, na koa fitsofan-drano ireo "mpivady vao" na fanokanana trano na hafa, dia tsy hisalasalana ny hamonoana omby miaraka amin'ny betsabetsa, labiera ao an-toerana azo avy amin'ny fary.

 
Sorona ho an'ireo razambe.

Pejy fanolorana - Tsy azo adika- Adiresy mailaka : info@masoala.org
Tranon-kala vatsian'ny
Tsidiho ireo tranon-kalan'ny Wildlife Conservation Society, sy ny Zoo Zurich ary ny ANGAP