Tranon-kala ofisialin'ny valan-javaboaharin'i Masoala.

Ahazoanao ireo vaovao isan-telovolana
Homano ny dianao !
 Ireo valan-javaboharim-pirenena hafa eto Madagasikara
 Zaram-potoana mifamaly
Fitsidihana an-tsary

 Inona no atao any Masoala
 Hetsika dia tongotra
 Hetsika an-dranomasina
 Fijerena ireo trozona
 Fitsangatsanganana an-dakana
 Lavanila
 Ireo zotra aleha

Ireo hetsika an-dranomasina

Natsofoka ho anisan'ny vala an-dranomasina ny helodranon'i Antongila noho izy faritra manan-danja hiterahan'ireo trozona sy ireo karazam-biby hafa anaty ranomasina. Maro ireo trozona mihaona ao isan-taona manomboka ny volana jolay, aogositra ary septambra. Raha maniry mafy ny hahita ireo trozona ianao, mahareta kely , ary mangalà fotoana vitsivitsy.

Inona ireo fitaovana tokony ho entina ?
Aza adino fa ao anatin'ny vaninandro ririnina any an-toerana ianao. Na izany aza anefa dia avy ny orana sady mangatsiaka, indrindra fa eny ambony sambo. Noho izany dia mitondrà akanjo mafana sy miaro amin'ny orana. Arovy miaraka amin'izany ihany koa ny fitaovana toy ny fakàna sary sy raki-tsary. Indraindray anefa dia mety ho manga ny lanitra, aza adino ny menaka fiarovana amin'ny masoandro.


Pejy fanolorana - Tsy azo adika- Adiresy mailaka : info@masoala.org
Tranon-kala vatsian'ny
Tsidiho ireo tranon-kalan'ny Wildlife Conservation Society, sy ny Zoo Zurich ary ny ANGAP