|
Ny fikarohana ny karazan-javabohary malagasy , na dia
efa nisy ihany aza efa taon-jato vitsivitsy taloha,
dia naman'ny vao manomboka ary dia mihazakazaka tokoa
amin'izao fotoana izao. Isaky ny misy ala may dia mazava
ho azy fa ireo harena ara-boajanahary no very, kanefa
dia azo lazaina ihany koa ho vato misakana ho an'ny
fampandrosoana ho an'ny mponina izany, rehefa ela ny
ela dia ny harem-pirenena mihitsy no ho fongana miaraka
amin'ny fidiram-bolan'izy ireo. Nohon'ny fananan'i Masoala
50% n'ny karazan-javabohary malagasy dia azo lazaina
ho labôratoara velona mihitsy izy ho an'ny fikarohana,
mazava ho azy eo amin'ny fikarohana ara-biôlôjika
fa mety koa ho an'ny fikarohana ny fomban-drazana.
Labôratoara roa no azo ampiasain'ireo mpikaroka,
ny iray ao Nosy
Mangabe ary ny iray ao Andranobe. Ao andrefan'ny
saikanosy no misy an'Andranobe, ary io faritra io dia
natokana ho an'ny fikarohana irery ihany. Maro ireo
toerana voatokana afaka hananganana trano lay. Misy
mpiandry ny vala foana eo isan'andro, io toerana io
dia ampiasaina ho toy ny toby. Raha mila fanazavana
fanampiny momba an'i Masoala, iangaviana alaivo ireo
fanovozan-kevitra
azo ampiasaina ao amin'ny infos@masoala.org
|
 |
|
|
|
|
Toerana fikarohana
ao Andranobe
|
|