
Nosy
Mangabe dia nosy feno ala, 5 km miala an'i Maroantsetra no misy azy. Izy io
dia faritr'ala manokana izay ahitana ny biby malaza toy ny Aye-aye sy ny karazany
hafa.

Ny
ilany andrefan'ny saikanosy no toerana tsara indrindra andinihina ireo vorona
malagasy. Azo lazaina ho paradisa kely mihitsy izy noho izany satria ny ala
dia mipàka hatrany an-dranomasina, afaka hovaovaina arak'izany ny fotoana
raha hijanona maharitra toy ny fitsangatsanganana anaty ala, fitsoobohana anaty
valan-dranomasina ary indrindra ny fakàna aina eny amorontsiraka tsy
misy olona, toerana tsy hita raha tsy any amin'ny faritra vitsy ihany.

Tampolo
no vala an-dranomasina izay mety ahitana karazana karazam-biby maro. Ny mahasamihafa
ity toerana ity dia noho ny fifanakaikaizan'ny ala sy ny ranomasina. Tsy ho
adino mihitsy ny fotoana majika nolalovana.

Ny
trozona dia fahita ny volana jona ka hatramin'ny septambra ao amin'ny helodranon'i
Antongila. Miray sy manome zanaka no antony ahatongavany ao. Ary atao izay rehetra
mety ahafa-po anao amin'ny fandinihina izany satria anisan'ireo zava-mitranga
manan-danja tokoa izy io.

Ny
kayak dia fomba iray mahafinaritra ahafahana mitsidika ny moron'ny saikanosy
ary koa ahafahanao miato eny amin'ireo irika kely manodidina mba hitsidihina
ny atin'ny ala mikitroka sy hahitana ireo karazam-biby maro ao anatiny.

Akaikin'i
Maroantsetra dia ahitana karazana lakandrano izay mora tsidihina amin'ny lakana.
Mety ho mora aminao ny hahita Vintsy mihaza na koa ireo lakana feno entana izay
ampiasaina toy ny fiara-karetsaka iombonana. Izany fitsangatsanganana izany
anefa dia ao anaty fahanginana tanteraka.

Ny
faritra atsinanan'i Madagasikara rehetra dia ivon'ny voly lavanila, ohatra amin'izany
Antalaha izay mitàna ny laharana voalohany eran-tany amin'ny famokarana
azy. Ny lavanila dia anisan'ny voalohan-karenan'ireo mponina any, satria ao
daholo no andanian'izy ireo ny androny, manomboka amin'ny fambolena sy ny fikarakarana
rehetra ampian'ny hanitra omeny izay mamerovero tokoa.

Ny
ankabeazan'ireo tanàna dia mitoetra manodidina ny saikanosy daholo, ary
ireo tia mandeha dia an-tongotra dia tsy maintsy mandalo ireo nosikelin' olombelona
ireo izay toy ny very any ambanivohitra sy anaty ala. Sady tsotra ny fandraisana
no am-pitiavana.

Ireo
tia mandeha an-tongotra lavitra dia hitety ireo toerana vitsy mpahalala kanefa
mbola mahafinaritra noho ny riandranon'i Bevontsira.

Ny
sombon-tany miavaka an'Andranoanala no toerana tsy fahita firy ahitana ny néphentes,
karazan-java-maniry mihinana biby kely miendrika kaopy. Ireo biby kely manidina
mitady sakafo ao no mahita faisana amin'izany.

Azo
atao tsara ny mandeha dia an-tongotra ny saikanosy , io no anisan'ny fomba tsara
indrindra raha tia ahafantatra ny tsiambaratelo isaky ny faritra. Inona indray
moa no ilaina ankoatry ny lomano anaty ranomasina rehefa avy nitety ny ala manontolo.

Ireo
honko ao Vinanivao dia toerana iray hieren'ireo karazana biby an-dranomasina
alohan'ny hiazoany ny riaka.

Mora
kokoa ny hidirana ny morotsiraka atsinanana raha avy ao Antalaha, na an-tongotra,
na am-bisikileta, na fiara. Tsy sarotra arak'izany ny fitsangatsangana manaraka
ny ranomasina indiana.

Ny
fanjonoana no antom-piveloman'ireo tanàna amorontsiraka, matetika dia
maro ny isan'ny olona velomina ao anaty fianakaviana iray.