|
Folo karazana amin'ireo gidro no hita
ao amin'ny valan-javaboharin'i
Masoala. Ny karazana Varecia variegata
no tena fandre amin'ny fananany zana-karazana dia
ny varikandana (Varecia variegata rubra). Efatra
amin'ireo gidro ao Masoala no atahorana ho lany tamingana
ary tafiditra ao anaty lisitra menan'ny UICN: Varecia
variegata rubra, Allocebus trichotis, Daubentonia
madagascariensis (Aye-aye) ary ny Phaner
furcifer.
Ny gidro dia tafiditra anaty sokajin'ny
"primates" ary azo lazaina fa havana lavitran'ny
rajako izay nahatonga azy lany tamingana tanteraka
tao Afrika. Tsy mbola fantatra mazava aloha izay tena
nahatonga ireo karazana gidro ireo taty Madagasikara,
na izany ireo izay tsy mivoaka raha tsy amin'ny atondro
na ireo izay mifanohitra amin'izany, izay samy kinga
amin'ny fihanihana hazo avokoa anaty ala mikitroka.
|