|
Ireo hetsika momba ny fiarovana sy
fikarohana an-tanety
Fiantohana sy fitanana ny isan'ireo karazan-javabohary
sy ireo fombafomba ara-ekôlôjika ao amin'ny
valan-javaboharin'i
Masoala.
|
Ireo hetsika momba ny fiarovana sy
fikarohana an-dranomasina
Hatsaraina ny fitantanana ireo vokatra an-dranomasina
ary koa miaro ireo
tontolo an-dranomasina toy ny harandriaka, ny bozaka
an-dranomasina, ny honko izay toerana manan-danja amin'ny
fivelaran'ireo karazana trondro.
Ireo hetsika any amin'ireo faritra manokana an-dranomasina
dia iaraha-miasa sy tohanan'ny WWF
|
Ireo hetsika natao hampandroso
Fakàna antoka fa ny valan-javaboharim-pirenena
dia mampandroso ara-ekônômika ho an'ny firenena
sy ireo mponina manodidina ny vala.
|
Ireo hetsika momba ny fizahantany
sy fikarakarana ireo mpitsidika
Fampandrosoana ny fizahantany ao Masoala satria io
no anisan'ny miaro amin'ny fotoana maharitra ny valan-javaboharim-pirenena,
ary koa manampy amin'ny fiainana ankapoben'ireo mponina
manodidina ny vala, ho an'ireo mpandraharaha tsy miankina
sy ho fitantanana ny vala.
|
Ireo hetsika amin'ny fanabeazana
momba ny tontolo iainana
Manome ireo fampianarana amin'ny fomba rehetra hanatsarana
ny fiarovana ny valan-javaboharim-pirenena avy amin'ny
fampahalalam-baovao, fampianarana, ary ny serasera.
|