Tranon-kala ofisialin'ny valan-javaboaharin'i Masoala.

Ahazoanao ireo vaovao isan-telovolana
Homano ny dianao !
 Ireo valan-javaboharim-pirenena hafa eto Madagasikara
 Zaram-potoana mifamaly
Fitsidihana an-tsary

 Inona no atao any Masoala
 Hetsika dia tongotra
 Hetsika an-dranomasina
 Fijerena ireo trozona
 Fitsangatsanganana an-dakana
 Lavanila
 Ireo zotra aleha

Ireo hetsika an-dranomasina

Ny kayaking

Mpamaritra asa anankiray avy any Afrika atsmo, le Kayak Masoala, dia manome anao fitsangatsanganana an-dranomasina ambony kayak, ny fanaovana an-kiletika ao anaty valan-dranomasin'i Masoala.

Raha tianao ny handeha ho any amin'ny Nosy Behento sy raha mila fanazavana fanampiny dia tsidiho ny tranonkala www.kayakafrica.com.

 

Ny fitsobohana ambany ranomasina
Mahenika ny 10 000 ha eo ho eo ny fitambaran'ireo vala an-dranomasina telo ao Masoala izay miaro ireo harandriaka, ireo bozaka anaty ranomasina ary ny honko manodidina ny saikanosy. Amin'izao fotoana izao, 300 eo ho eo ny karazana trondro hita tao amin'ireo vala an-dranomasina ireo, ary mbola mitohy ny fikarohana.

Inona ny fitaovana hoentina ?
Avy ao Maroantsetra, manofà lakana kely mandeha maotera. Ny faharetan'ny dianao dia mety ho eo amin'ny 3 ka hatramin'ny 8 ora eo ho eo, izay miankina amin'ny andro sy ny karazana lakana nosafidianao. Tsy misy sambo mpitatitra raikitra mampifandray an'i Maroantsetra sy ny tendron'i Masoala. Ny tsara indrindra dia ny mitsinjo sambo azo antoka ialana amin'ny loza tampoka. Matetika manonja ny ranomasina ny volana Jona, Jolay, Aogositra.


Pejy fanolorana - Tsy azo adika- Adiresy mailaka : info@masoala.org
Tranon-kala vatsian'ny
Tsidiho ireo tranon-kalan'ny Wildlife Conservation Society, sy ny Zoo Zurich ary ny ANGAP