Ny fandehanana tongotra
lavitr'ezaka
(anaty valan-javaboharim-pirenena na manodidina
ny saikanosy)
Inona no
mety ho hita any?
Mamakivaky ny
atin'ny ala mando lava voasokajy ho iva sy antonony
ianao. Mandritry ny fandehanana an-tongotra
dia mety ho avy ny orana (izay no maha ala manoran-dava
azy), hitsàka renirano eo amin'ny roapolo
eo ianao izay mety ho be na kely velarana, tapatapahin'ny
fiakarana somary henjana. Io no fotoana ahafahanao
mahita tsara ny hakanton'ny biby sy ireo zava-maniry
ao Masoala. Anisan'ny lalana iray ahafahanao
mitsidika ireo tanàna kely Betsimisaraka
koa izany. Ireo tanimbary dia manamorona ireo
tanàna ireo, fa eo koa ny fambolena lavanila,
kafe ary akondro.
Inona ireo
fitaovana tokony ho entina?
Raha atombokao ao Maroantsetra ny fandehanana
an-tongotra, dia manofà lakana mandeha
maotera hahatongavana any Navàna, afaka
andehanana tongotra koa na an-dakana tsotra
ny 20 km mampiseraka ireo toerana roa ireo.
Ao Navàna no manomboka ny fandehanana
tongotra, mandalo an'i Mahalevona, Ambatoledama,
ary Ampokafo. Ao Ampokafo ianao no misafidy
na andeha any amin'ny Cap Est na ho any Antalaha.
Raha avy any Antalaha kosa indray no miainga,
dia afaka mandeha taxi-brousse ianao mandra-pahatonga
ao Marofinaritra ary mandeha an-tongotra hatrany
Maroantsetra rehefa avy nandalo an'Ampokafo,
Mahalevona ary Navàna.
Farafaharatsiny ekeo ny 4 andro hamakivakiana
izay lalana izay raha maika ianao. Ny ankamaroan'ireo
mpizahantany dia misafidy 5 na 7 andro eo hanaovana
izany.