| Masoala, izay ngeza indrindra amin'ireo
valan-javaboharim-pirenena misy eto Madagasikara, dia
iray amin'ireo faritry ny firenenana malagasy ihaonan'ny
ala mando lava sy ny ranomasina. Ny vala dia miaro ny
ala, amin'ny sisin-dranomasina ka hatrany amin'ny tampon-tendrombohitra,
telo ireo valan-dranomasina miaro ireo harandriaka manan-danja
indrindra. Ny sisiny izay mbola tsy tena simba sy ireo
ala manan-karena ara-biôlôjika dia tsara trandrahana
ao amin'ny saikinosin'i Masoala sy ao Nosy Mangabe. Masoala
dia toerana mahafinaritra sy mahasondriana tokoa na ho
an'ny mpitsidika tsotra izany na ho an'ireo mpikaroka. |