Tranon-kala ofisialin'ny valan-javaboaharin'i Masoala.

Ahazoanao ireo vaovao isan-telovolana
Homano ny dianao !
 Ireo valan-javaboharim-pirenena hafa eto Madagasikara
 Zaram-potoana mifamaly
Fitsidihana an-tsary

 Inona no atao any Masoala
 Hetsika dia tongotra
 Hetsika an-dranomasina
 Fijerena ireo trozona
 Fitsangatsanganana an-dakana
 Lavanila
 Ireo zotra aleha

Lavanila

Ny faritr'i Antalaha no malaza amin'ny famokarana lavanila. Miaraka amin'ireo tanàn-dehibe any avaratra atsinanan'i Madagasikara, Antalaha sy Maroantsetra dia ahitàna hetsika maro rehefa tonga ny fotoana fihotazana sy famarotana lavanila. Ny asa atao amin'ny lavanila, izay mila fahavononana sy fahaizana, dia nolovaina tamin'ireo razana taloha ka manjary fahazarana. Ny fikarakarana azy ity dia ahitana ambaratonga samihafa izay samy manan-danja avokoa. Miainga amin'ny fambolena ka hatramin'ny fikarakarana ny voany hamidy.

Raha vao miatomboka ny volana septambra dia manentoento any ambanivohitra ny hanitr'ireo zava-manitra. Mety ho hitanao ireo mponina eo am-pifantenana ireo voana lavanila ary koa ny fofona jirofo hamainina amin'ny masoandro.

Raha manam-potoana ianao dia mahaliana ny mijery ireo fambolena miaraka amin'ny mpanoro lalana izay tianao. Ny lavanila sy ny mananasy no tena mibahan-toerana fa eo koa ny voly jirofo, kafe sy ireo voankazo samihafa.

 

 


Pejy fanolorana - Tsy azo adika- Adiresy mailaka : info@masoala.org
Tranon-kala vatsian'ny
Tsidiho ireo tranon-kalan'ny Wildlife Conservation Society, sy ny Zoo Zurich ary ny ANGAP