Tranon-kala ofisialin'ny valan-javaboaharin'i Masoala.

Ahazoanao ireo vaovao isan-telovolana
Homano ny dianao !
 Ireo valan-javaboharim-pirenena hafa eto Madagasikara
 Zaram-potoana mifamaly
Fitsidihana an-tsary

 Manodidina an'i Masoala
 Makira
 Marojejy
 Mananara
 Antalaha

Makira

Eo anelanelan'ny faritanin'i Toamasina, Antsiranana, ary Mahajanga no ahitana ny faritra voaaron'i Makira. Manana fivelarana eo amin'ny 385 000 ha eo ho eo sy 850 km mamehy azy, Makira dia mitoetra amin'ny faritra avaratr'i Mananara avaratra hatrany Andapa, Maroantsetra ary Antsakabary, izay mbola eo ambany fileovan'i Befandriana avaratra. 150 000 eo ho eo no isan'ireo mponina mipetraka manodidina ireo vaingana ala hanjakan'ireo karazam-biby toy ny gidro, biby mandady, sahona, vorona, ireo biby mampinono ary ireo karazana zava-maniry maro. Ny ampahany lehibe amin'i Makira dia tafiditra ao anatin'i Maroantsetra, faritanin'i Toamasina.
Noho io toerana misy azy ara-jeôgrafika io, ny faritra voaaron'i Makira dia mety hanana, azy manokana, toerana idealy ho an'ireo karazam-biby tsy dia fahita firy, kanefa mety ho hita any amin'ireo ala mando lava sy manamorona ny ranomasina eto Madagasikara.
Ny fidirana ao amin'io toerana io dia mora kokoa raha avy ao Maroantsetra. Ny fandehanana an-tongotra ihany no ahafahana mitsofoka anatin'ny ala mikitroka satria mbola tsy misy ny lalana mazava fandehanana dia an-tongotra lavitra mankany. Raha tianao anefa ny mizaha sy mitady zava-baovao dia ny tsara indrindra manontany ireo mpanoro lalana ao Maroantsetra.


Pejy fanolorana - Tsy azo adika- Adiresy mailaka : info@masoala.org
Tranon-kala vatsian'ny
Tsidiho ireo tranon-kalan'ny Wildlife Conservation Society, sy ny Zoo Zurich ary ny ANGAP