|
Ny
"Reserve de la Biosphere" dia tafiditra ao
anatin'ny faritra izay voafefin'ny tanàn-dehiben'i
Mananara avaratra. Mizara roa mazava tsara ny valan-javaboharim-pirenena.
Ny ilany tena manan-danja dia manambatra ireo karazana
ala (ala Verezanantsoro, Ivontaka avaratra sy Ivontaka
atsimo ary ilay mankany amin'ny ony Anove). Ny ilay
faharoa izay kelikely kokoa dia manambatra ireo nosy
Atafana (manatrika ny tanànan'i Sahasoa) ary
ireo harandriaka manodidina.
140 000 ha eo ho eo no rakofan'ny "Reserve
de la Biosphere".
23 000 ha kosa ny an'ny valan-javaboharim-pirenena miampy
ny valan-dranomasina ahitana ireo nosy sy ny harandriaka
manodidina. Ny "Reserve" no manana ny ampahany
lehibe indrindra amin'ireo ala manoran-dava voasokajy
ho iva voaaro ara-panjakana eto Madagasikara.
Ny "Reserve" dia mipetraka
amin'ireo toerana lemaka vatovatoina (granitan'i Antongila
sy migmatitan'i Mananara. Eo anelanelan'i Anove sy Antanambe,
ny toerana manamorona ranomasina dia tsy ahitana afa-tsy
fasika. Any avaratr'Antanambe, ny tora-pasika dia mahalana
sy mitoka-monina. Ny sisin-dranomasina izay manome hantsana
iva no manatrika ireo harandriaka manaparitaka ny ranomasina,
eo amin'ny 200 m eo ho eo ny haavony. Ireo tambatra
nosy kelin'ny Nosy Atafana dia ahitana ihany koa ireo
harandriaka somary milevina anaty rano.
Amin'ireo biby
mandady, dia ahitana karazana voay 16 avy amin'ny
reniranon'ny Nil (Crocodilus niloticus), Ithycyphus
pereniti ary Chamaeleo cucculatus.
60 ireo karazam-borona
voaisa, ny sasany amin'izy ireo dia tsy fahita firy.
Anisan'izany ny Fagadiovy sy ny Fandikalalana (Brachypteracias
squamiger sy B. Leptosomus) na ny Siketribe Euryceros
prevostii.
Io ihany no toerana voaaro ho an'ireo byby mampinono
toy ny Galidictis fasciata sy Salanoia concolor. Ireo
gidro kosa dia
ahitana ny sifaka (Propithecus diadema diadema),
ny varika (Varecia variegata), Babakoto (Indri-indri)
ary ny Aye-aye (Daubentonia madagascariensis).
Ny karazam-biby Allocebus trichotis dia hitan'ny Dokotera
B. Meier. Azo eritreretina ny fisian'ny Hapalemur
simus any atsimon'ny vala dia mety, na koa ny fisian'ny
Dugong dugong any amin'ny valan-dranomasina.
|