|
Maroantsetra no toerana mahavelona ny helodranon'Antongila.
Mora kokoa ny ahatongavana ao raha mandeha fiaramanidina.
Ny fitanterana amin'ny botry no anisan'ny ampiasain'ny
ankamaroan'ny malagasy indrindra rehefa tsara
ny tonontaona nohon'ny faharatsian'ny lalana
an-tanety izay mbola sarotra tokoa amin'izao
fotoana izao, satria sady tsy azo aleha no mbola
mita renirano matetika.
Ao Maroantsetra no fiantombohan'ireo fitsangatsanganana
rehetra any Masoala. Tanàn-dehibe mahafinaritra
sy milamina izy. Ny fifandimbiasan'ny fambolena
lavanila sy ny jirofo no mibahan-toerana eo
amin'ny fiainan'ny mponina ao.
Ny vignany ao Antainambalana, atsinanan'ny
tanàn-dehibe dia ahafahana mitsangatsangana
ambony lakana, ary ny tora-pasika ery andrefana
kosa no toerana tena ankafizin'ny malagasy ,indrindra
rehefa alahady.
Azo lazaina ho mivelatra raha ny tanàn-dehibe,
raha hitsangatsangana ao ianao dia ny bisikileta
no fitaterana tsara indrindra sady ahafahanao
mandeha mankany amoron-driaka, toerana tsara
sady ahitana an'i Nosy Mangabe. Ny mpanjono
sy ny mpanarato no mameno ny torapasika rehefa
an-davanandro. Eny afovoan-tsena no toerana
hamarotany ireo vokatra azo.
|