Tranon-kala ofisialin'ny valan-javaboaharin'i Masoala.

Ahazoanao ireo vaovao isan-telovolana
Homano ny dianao !
 Ireo valan-javaboharim-pirenena hafa eto Madagasikara
 Zaram-potoana mifamaly
Fitsidihana an-tsary

 Manodidina an'i Masoala
 Makira
 Marojejy
 Mananara
 Antalaha

Marojejy

Marojejy dia valan-javaboharim-pirenena vao nisokatra, mahafinaritra ihany koa izy io satria manambatra ireo ala mikitroka matevina sy mando lava, ireo ala-tendrombohitra, ireo renirano mamirapiratra, ireo haram-bato avo dia avo, ary ireo toerana mahita ny manodidina rehetra. Ahitana ireo karazan-javabohary miavaka koa izy amin'ireo biby sy zava-maniry ao aminy.

Afaka atao ny mijanona mandritry ny andro vitsivitsy ao amin'ireo fitobiana anaty ala ao Marojejy, ahafahanao mizaha ireo zavabohary ao aminy. Ho an'ireo matanjaka dia azo atao tsara ny mihanika ny tendrombohitra hatrany amin'ny tampony, any amin'ny 2132 m any ho any ny haavony, ary mahita tanteraka ny hakanton'ny toerana avo mbola tsy voakitika, eny hatramin'ny ranomasina indiana izany.

Ny tanàn-dehibe tena akaiky dia Andapa, izay ahitanao ireo faritr'ala voaaro toy ny Anjanaharibe Sud sy Antanetiambo, faritr'alavelona manokana. Ny fitsidihina ireo toerana manodidina dia ahitanao zavatra tsy ampoizina ary koa hatsiarovanao tantara maro.


Pejy fanolorana - Tsy azo adika- Adiresy mailaka : info@masoala.org
Tranon-kala vatsian'ny
Tsidiho ireo tranon-kalan'ny Wildlife Conservation Society, sy ny Zoo Zurich ary ny ANGAP