|
Masoala Regenwald, na Espace Masoala, dia fiaraha-miasa
maharitra ela eo amin'ny Zoo de Zurich sy ny valan-javaboharim-pirenena.
Eo amin'ny manodidina ny iray hekitara, nalaina tamin'ny
saikanosin'i Masoala no nohezahina napetraka tao anaty
toerana mitovy amin'ireo zava-misy any Masoala, mba
hiveloman'ireo karazam-biby naondrana tany.
Ireo mpitsidika dia hahazo tombotsoa amin'ny famakivakiana
ny ala trôpikaly ary koa hahita ny hakanton'ny
zavamanan'aina sy ny kolontsaina malagasy. Io toerana
io dia toy ny fitaratra lehibe manintona ireo olona
hitsidika an'i Madagasikara., ary handray anjara mivantana
amin'ny fiarovana ny karazan-javamanan'aina
ao Masoala.
|