|
Any ivelan'ny ala, dia ny fambolena
vary no mibahan-toerana, na izany voly an-tanimbary
na voly tavy anelanelan'ny tendrombohitra ho an'ireo
masomboly tsy dia mila rano loatra. Ireo voly
fanodina hafa, ny voankazo, ny kafe, ny "cacao"
sy ireo hazo fandrehitra dia natokana hivelomana.
Ny voly tena manan-danja any an-toerana dia ny
lavanila sy ny jirofo. Lavanila avy any Mexique
no nampidirin'ny frantsay teto Madagasikara. Ny
fanambarana ny lahimbony sy ny vavimbonin'ny lavanila
dia tsy maintsy atao amin'ny tanana mba ahazoana
vokatra tsara. Ny faritra avaratra atsinanan'ny
Nosy no mamokatra be amin'ireo lavanila natoraly
eran'izao tontolo izao.
Anisan'ireo fivelomana manan-danja
ho an'ireo tanàna amorontsiraka ny fanjonoana.
Ireo fitaovana ampiasaina amin'izany dia mbola
nolovaina tamin'ireo razambe, ka rehefa mitsangatsangana
eny amin'ny tora-pasika ianao dia ahita ny fivezivezen'ireo
lakana mpanjono n'aiza n'aiza manamorona ny helodranon'i
Antongila.
|