|
Azonao jerena ao amin'ny biraony izay tsy lavitry
ny seranan-tsambon'i Maroantsetra ireo Mpanoro lalana.
Ny Angap dia afaka ny hanampy anao ihany koa amin'ny
fitadiavana azy ireo ary afaka ny hampiseho sy haneho
ny lisitr'ireo Mpanoro lalana manana alalana ny hitondra
any amin'ireo valan-javabohary.
Raha mitady olona indray ianao hanoro lalana eo
amin'ny tanàn-dehibe, manodidina an'i Maroantsetra
na koa ivelan'ireo faritra voaaro ireo, aza misalasala
manantona ny biraon'ireo mpanoro lalana. Azo atao
foana sady tsy sarotra ny mahita mpanoro lalana tsy
manana alalana ny hitondra any amin'ireo faritra voaaro,
na izany aza dia mitandrema ihany amin'ireo be resaka.
|