Tranon-kala ofisialin'ny valan-javaboaharin'i Masoala.

Ahazoanao ireo vaovao isan-telovolana
Homano ny dianao !
 Ireo valan-javaboharim-pirenena hafa eto Madagasikara
 Zaram-potoana mifamaly
Fitsidihana an-tsary

 Ireo mifandray amin'ny valan-javaboharim-pirenena
 Ireo mpitantana
 Ireo hetsika ao amin'ny valan-javaboharim-pirenena
 Fikarohana
 Fifandraisana
 Masoala sy ny zoo de Zurich
 Fakàna ireo fanozovan-kevitra

Ireo mpitantana

Ny ANGAP dia afaka mametraka delege hanampy azy amin'ny fitantanana ny valan-javaboharim-pirenena iray sy ho fanajàna ireo lalàna manokana amin'izany. Nanomboka ny aprily 2000 dia ny W.C.S (Wildlife Conservation Society) no nanaiky handray io toerana io. Ny ANGAP no tompon'andraikitra voalohany amin'ny fampandehanana io lamin'asa ho fitantanana ny valan-javaboharim-pirenena io, ary WCS no mpiray tantana aminy. WCS kosa no Organisma mpiahy eo anatrehan'ny Minisiteran'ny tontolo iainana, ny rano sy ny ala.

Ao Maroantsetra no misy ny foiben'ny fitantanana ny valan-javaboharin'i Masoala, ny biraony dia 50 m miala ireo "Parabole" ao amin'ny tanàn-dehibe. Manana birao mifandray aminy koa izy ao Antalaha manakaiky ny kianjan'ny fahaleovantena.

 

 

Ireo hetsika hafa ataon'ny WCS eto Madagasikara

Makira no anisan'ny ala natokan'ny WCS harovana ivelan'ny faritr'ala voaaro, iarahany miasa amin'ny Minisiteran'ny rano sy ny ala.

WCS dia miara-miasa amin'ny fanokafana Reserve de Biosphere any Sahamalaza- Nosy Radama, any amin'ny morontsiraka andrefan'i Madagasikara.

Fiarovana ireo sokatra any atsimo.

Fikarohana momba ireo trozona

Fikarohana momba ireo biby mampinono an-tanety

WCS koa dia manampy amin'ny fanabeazana ireo mpianatra nasionaly

Manampy amin'ny fandraisana andraikitra eo amin'ny lafin'ny politika fintantanana ny tontolo iainana.


Pejy fanolorana - Tsy azo adika- Adiresy mailaka : info@masoala.org
Tranon-kala vatsian'ny
Tsidiho ireo tranon-kalan'ny Wildlife Conservation Society, sy ny Zoo Zurich ary ny ANGAP