|
Amin'izao fotoana izao dia 80.000
no isan'ny mponina monina amin'ireo faritra manodidina
ny valan-javaboharim-pirenena. Ny sasany amin'izy
ireo dia mpamboly vary an-tavy. Ny
tanan-dehiben'Antalaha sy Maroantsetra
dia samy ahitana mponina 15 ka hatramin'ny 20.000.
Ireo tanàna roa ireo dia faritra manan-danja
tokoa amin'ny fanondranana lavanila sy hazo fanao
fanaka sy fandrafetana.
Ny Betsimisaraka no foko mibahan-toerana
indrindra ao amin'ny faritr'Antalaha sy Maroantsetra.
Ny mponina ao Maroantsetra moa dia antsoina hoe
"Antimaroa". Ny fomban-drazana dia nolovaina
tamin'ny fomba Betsimisaraka, izay midika ara-bakiteny
hoe "betsaka, tsy misaraka". Izy io
dia fanehoana ny firaisankina na amin'ny androm-pahoriana
na amin'ny andro firavoana. Ireo fety manaraka
ny fomban-drazana na koa antsoina hoe "Tsaboraha"
dia tsy maintsy fantatra amin'ny famonoana omby.
Raha misy maty indray, dia voatery tsy maintsy
manatrika ny fahorian'ireo ory. Mety hahazo tsiny
amin'ny fiarahamonina arak'izany raha tsy miombona
alahelo amin'ireo tompo-manjo.
|