Tranon-kala ofisialin'ny valan-javaboaharin'i Masoala.

Ahazoanao ireo vaovao isan-telovolana
Homano ny dianao !
 Ireo valan-javaboharim-pirenena hafa eto Madagasikara
 Zaram-potoana mifamaly
Fitsidihana an-tsary

 Ireo fitambarana valan-javaboharim-pirenena
 Ankapobeny
 Valan-javaboharin'i Masoala
Ny morontsiraka andrefana
Andranoanala
 Nosy Mangabe
 Ny vala an-dranomasina
 Maroantsetra sy ny manodidina azy

Nosy Mangabe

Inona no azo jerena ao ?

Ny faritr'ala manokan'i Nosy Mangabe dia nosy midadasika izay ahiatana ala 520 ha mando lava sy maitso mandava-taona. Ny fasan'ny fianakaviana Antimaroa sy ireo vato misy dian-tsoratry ny tatsambo Hôlandey tamin'ny faha XVII an-jato taona dia manamarina ny firiariavan'ny olombelona tao taloha.

Dimy karazana ireo gidro hita ao Nosy Mangabe ka ny telo dia tsy mivoaka raha tsy amin'ny alina (Varikandana miloko mainty sy fotsy, gidro miloko volon-takatra, aye-aye, microcèbe). Anisan'ny toerana eto Madagasikara mora ahitana ny tafisaka ao Nosy Mangabe, izay biby anisan'ny mahatalanjona nohon'ny fahaizany miery. Hita ao Nosy Mangabe ihany koa ny karazana tanalahy kely indrindra Brookesia tsy mihotra ny haben'ny fanondro.

Ity nosy ity dia rakotra ala tanteraka ary anisan'ny toerana mora ahitàna ireo karazam-biby malaza toy ny aye-aye. Tsidiho ary ity nosy ity mandritry ny fotoana vitsy ahafahanao manararaotra mandeha anaty ala sy ny tora-pasika ao aminy.

Ahoana ny fomba ahatongavana any ?

Raha avy ao Maroantsetra dia ny manofa lakana kely mandeha môtera no mety. 5 km avy eo no misy ny nosy ary 15 mn ka hatramin'ny adin'ny iray eo ho eo ny faharetan'ny dia, izay miankina amin'ny hatsaran'ny andro sy ny lakana hoentina mankany. Tsy misy sambo mpitatitra raikitra mampifandray an'i Maroantsetra sy Nosy Mangabe. Tsy misy safidy afa-tsy ny manofa lakana arak'izany mba ahatongavana any.

 
Brookesia perierasi
Aye-aye
Nosy Mangabe

Pejy fanolorana - Tsy azo adika- Adiresy mailaka : info@masoala.org
Tranon-kala vatsian'ny
Tsidiho ireo tranon-kalan'ny Wildlife Conservation Society, sy ny Zoo Zurich ary ny ANGAP