Tranon-kala ofisialin'ny valan-javaboaharin'i Masoala.

Ahazoanao ireo vaovao isan-telovolana
Homano ny dianao !
 Ireo valan-javaboharim-pirenena hafa eto Madagasikara
 Zaram-potoana mifamaly
Fitsidihana an-tsary

 Ireo fitambarana valan-javaboharim-pirenena
 Ankapobeny
 Valan-javaboharin'i Masoala
Ny morontsiraka andrefana
Andranoanala
 Nosy Mangabe
 Ny vala an-dranomasina
 Maroantsetra sy ny manodidina azy

Ny morontsiraka andrefana

 

Lohatrozona, Ambodiforaha, Tampolo, Antalaviana

Lohatrozona dia malaza amin'ireo vorona ao aminy. Paradisa ho an'ny mpikaroka manokana ny vorona izy amin'izany. Ny famaritana ny iray amin'ireo vala an-dranomasina dia miatomboka ao Tampolo. Mety tsara amin'ny filomanosana ny toerana satria milamina sy tony tsara ny ranomasina, afaka mihanoka soa amantsara ireo mpilomano an-kiletika. Tampolo, Ambodiforaha ary Marofototra dia manana ny sisin-dranomasina tsara amin'ny fananany fasika botsiaka madio tsara izay ahafahana mandry anaty lay. Anisan'ireo toerana tsara indrindra ao Masoala izy io satria manana tombony amin'ny fanambarany ny ranomasina, ireo rian-drano, ireo dobo filomanosana natoraly, ny renirano ary ny ala mikitroka. Ireo karazan-javamanan'aina toy ny siketribe, ny varikandana, ny Koa, ny zarina, ny harandriaka, nyala dia mifangaro ao daholo mba tsy hieritreretana afa-tsy ny ranomasina sy ny ala.

 

 

Ahoana ny fomba ahatongavana any ?

Manofa lakana misy môtera avy ao Maroantsetra no dingana voalohany. Ny faharetan'ny lalanao dia eo amin'ny 1 ka hatramin'ny 4 ora eo ho eo araky ny andro sy ny lakana nosafidinao. Tsy misy ireo sambom-pitaterana mandalo marim-potoana mandalo ao Maroantsetra mankany Lohatrozona, Tampolo, Ambodiforaha, na koa Marofototra. Matetika mitopa ny ranomasina mandritra ny volana jona, jolay ary aogositra.

Afaka atao tsara koa anefa ny mandeha dia an-tongotra lavitra miainga avy ao Maroantsetra. 3 na 4 andro eo ho eo ny faharetan'ny dia indray mandeha.



Pejy fanolorana - Tsy azo adika- Adiresy mailaka : info@masoala.org
Tranon-kala vatsian'ny
Tsidiho ireo tranon-kalan'ny Wildlife Conservation Society, sy ny Zoo Zurich ary ny ANGAP