Maro amin'ireo mpikarakara no manoro hevitra ireo
lakana haingam-pandeha, na dia eo aza ny hakelin'izy
ireo, dia anisan'ireo fitanterana azo antoka sy haingan-pandeha
indrindra ao amin'ny helodrano. Ny saran'ny fanofàna
dia azo lazaina ho lafo kanefa rehefa jerena ny vidin'ny
lasantsy ampiasainy sy ny havitsian'ireo olona zakany
dia rariny ihany izany. Azo atao ihany koa anefa ny
manontany ireo fitanterana amin'ny botry, izay mora
kokoa saingy ny ora fandehanan'izy ireo dia miverimberina,
ny sasany amin'ireo toerana dia tsy lalovan'izy ireo
raha tsy fotoana ela. Raha tianao ny hanandrana ny
fakàna fahafinaretana amin'ny fandehanana "
bateau brousse ", dia azonao atao ny maka ireo
torolalana any amin'ireo mpanoro lalana ho an'ny fanazavana
bebe kokoa.