|
Ny tantaran'ny saikanosin'i Masoala sy
ny helodranon'i Antongila dia manan-karena tokoa. Ny
fotoana talohan'ny 1500 nahatongavan'ireo Erôpeana
voalohany dia tamin'ny angano sy ny lovan-tsofina ihany
no nahafantarana azy. Nandritry ny faha 17 zato taona
dia ny fahatongavan'ireo Hôlanday no tena nibahan-toerana,
izay nametraka fitobiana tao Nosy
Mangabe hanondranana ireo andevo any amin'ireo zana-tany
Indoneziana sy Afrika atsimo.
Ny tanan-dehiben'i Maroantsetra
amin'izao dia fantatra tamin'ny anarana hoe Port Boynes,
avy eo vao Ambatomasina ary izay vao Maroantsetra (izay
midika hoe "maro sy maranitra"). Io anarana
io dia nalaina tamin'ny fahazaran'ireo mponina tao manatsatoka
zava-maranitra manaraka ny renirano mba hanakanana ireo
mpanafika.
Ny nahatonga ny anarana hoe Antalaha
indray dia ny nahatongavan'ireo mpirahalahy silamo anankiroa
avy any Kaomaoro. Rehefa tafatoetra tao izy ireo dia
nana-pakevitra ny hitady toeran-kafa ny iray, ary namela
io tanàna io ho an'ny rahalahiny izay nomeny
ny anarana hoe Antalaha na koa hoe tanànan'i
Allah.
|
|
|
|
Fanehoana ny faha-16 zato
taona izay ahitana Loholona, miaramila sy vehivavy
malagasy tao amin'ny helodranon'i Antongila.
|
|