|
Fizahana ny tontolo an-dranomasina
Rehefa tonga, na izany avy amin'ny fiaramanidina na
koa an-tsambo, ny helodranon'i Antongila dia manasa
antsika hijanona maharitra mba hahafantarana bebe kokoa
ireo zava-miafina ao aminy. Rehefa mandehandeha amin'ireo
sisin-driaka, dia lasa ny saina ka mihevitra sy manofinofy
ho tamin'ireo vanim-potoana taloha, mahatonga ny tena
ho mpitsidika nivoaka ny faha-16 zato taona lasa. Raha
mipetraka mandritry ny fotoana vitsy eo ambonin'ny vato
ao Tampolo ianao dia mety hanam-bintana ahita ny fiarahan'ireo
trozona mpifankatia.
Fa ny tombotsoa amin'izao fotoana iainan-tsika izao
dia ny fisian'ireo sarontava, ny fantsona, ary ny fivoy
filomanosana, satria maro ireo tontolo izay misokatra
ho anao. Ireo karazana valan-dranomasina dia mampahafantatra
ireo harandriaka tsy mbola voakitika, sy ny karazam-biby
samihafa sy maro loko. Raha tianao ny mandeha lavitra
eny ambony ranomasina, aza mihafahafa ny manofa ireo
lakana mampitsangatsangana anao manaraka ny sisin'ny
riaka, amin'izany dia mety hanam-bitana ianao hahita
ireo fesotra.
|