Tranon-kala ofisialin'ny valan-javaboaharin'i Masoala.

Ahazoanao ireo vaovao isan-telovolana
Homano ny dianao !
 Ireo valan-javaboharim-pirenena hafa eto Madagasikara
 Zaram-potoana mifamaly
Fitsidihana an-tsary

 Ireo mampiavaka an'i Masoala
 Biby an-dranomasina
 Trozona
 Biby an-tanety
 Gidro
 Vorona
 Biby mandady
 Sahona
 Biby kely manidina
 Voninkazo

Ireo trozona

10% amin'ireo trozona eran'izao tontolo izao no mifindra monina aty amin'ny ranomasina malagasy isan-taona.

Avy any amin'ny ranomasina Antarktika izy ireo mba hiray sy hanome zanaka aty amin'ny ranomasina mafana. Hita eto amin'ny ranomasina malagasy ny trozona manomboka ny volana jona ka hatramin'ny volana septambra. Mety hanam-bitana ianao arak'izany ahita ny fandihin'ireto biby mpifankatia goavambe ireto. Any amin'ny faran'ny volana aogositra any no miteraka ny trozona, mora noho izany no ahitana ny reniny miaraka amin'ny zanany.

Afaka hijerena ny trozona koa anefa any amin'ny nosy Sainte Marie, Toliara, Faradofay, Nosy Be ary mazava ho azy ny helodranon'i Antongila izay toerana tsara indrindra handinihina ireto biby goavana ireto nefa tsy masiaka.

 

 


Pejy fanolorana - Tsy azo adika- Adiresy mailaka : info@masoala.org
Tranon-kala vatsian'ny
Tsidiho ireo tranon-kalan'ny Wildlife Conservation Society, sy ny Zoo Zurich ary ny ANGAP