Tranon-kala ofisialin'ny valan-javaboaharin'i Masoala.

Ahazoanao ireo vaovao isan-telovolana
Homano ny dianao !
 Ireo valan-javaboharim-pirenena hafa eto Madagasikara
 Zaram-potoana mifamaly
Fitsidihana an-tsary

 Ireo mifandray amin'ny valan-javaboharim-pirenena
 Ireo mpitantana
 Ireo hetsika ao amin'ny valan-javaboharim-pirenena
 Fikarohana
 Fifandraisana
 Masoala sy ny zoo de Zurich
 Fakàna ireo fanozovan-kevitra

Ireo mifandray amin'ny valan-javaboharim-pirenena

Ny fintantanana ny fifandraisana nasionaly eo amin'ireo valan-javaboharim-pirenena eto Madagasikara dia napetraka tamin'ny Association Nationale pour la gestion des Aires Protégées (A.N.G.A.P.). Ny ANGAP amin'ny maha fikambanana tsy miankina azy dia eo ambany fiahian'ny Minisiteran'ny Tontolo iainana, rano sy ny ala ary izy dia manana fenitra arahina: "mametraka, miaro, mitantana amin'ny fomba maharitrany fifandraisan'ny valan-javaboharim-pirenena sy ireo vala voaaro hafa ny karazany ara-jeolojika sy ny fananana natoraly sy kolon-tsaina manokan'i Madagasikara".

Ny famotehana ireo zava-bohary eto Madagasikara dia azo lazaina anisan'ny avo indrindra eto ambonin'ny tany. 15.2% amin'ireo ala taloha sisa no mandrakotra an'i Madagasikara hatramin'ny nahatongavan'ny olombelona voalohany teto. Farafahakeliny, 15 karazana ireo gidro no lany taranaka noho ny fahatongavan'ny olona.

Noho izany antony izany no nahatonga ny Governemanta malagasy hanokatra ny valan-javaboharin'i Masoala tamin'ny taona 1997.

 


Pejy fanolorana - Tsy azo adika- Adiresy mailaka : info@masoala.org
Tranon-kala vatsian'ny
Tsidiho ireo tranon-kalan'ny Wildlife Conservation Society, sy ny Zoo Zurich ary ny ANGAP