|
Ny
saikanosin'i Masoala, indrindra fa ny faritra
atsimo, no tena hipetrahan'ny kolontsaina sy ny
fomban-drazana malagasy. Ireo fady
izay mbola hajaina dia manana ny toerana avo tokoa,
na izany eo amin'ny olona sy ny ala na koa eo
amin'ny tontolo sy ireo razana.
Ny valan-javaboharin'i Masoala no vala lehibe
indrindra eto Madagasikara, izay anisan'ireo firenenena
manana ny lanjany tokoa raha ny karazan-javamanan'aina
no lazaina. Ny PN Masoala dia hitambaran'ny vondrona
7 samihafa, ao anatiny ireo valan-dranomasina
telo. Masoala dia manan-karena tokoa amin'ny fananany
karazan-javamanan'aina tsy fahita firy toy ny
zarina mahavariana, ny firasabe, ary 10 karazana
gidro. Ny valan-javaboharim-pirenena fotsiny dia
voarakotra ala manoran-dava sy ala amin'ny morontsiraka,
ny karazana zavamanan'aina sasany dia tsy hita
raha tsy any amin'ny saikanosy toy ny varikandana.
|