|
Masoala dia manana valan-dranomasina
telo, mitotaly 10.000 ha ny fivelarany.
Ny harandriaka sy ireo karazam-biby ao
aminy, ireo ahitra an-dranomasina, ary
ny honko no tena arovana manodidina nysaikanosy.
Amin'izao fotoana izao dia 300 karazana
amin'ny trondro no hita ao ary mbola mitohy
ny fikarohana.
Ny faritra an-dranomasina
ao Tampolo dia mampiseho ny hakanton'ireo
masajy sady manakaiky ny ala mikitroka.
Ny faritra an-dranomasina
ao Tanjona dia mampiseho ireo honko izay
manan-danja tokoa eo amin'ny fiainana
sy fiveloman'ny ankamaroan'ny biby an-dranomasina.
Ny harandriaka ao koa dia manana ny maha
samihafa azy.

|
|
Ahoana ny fomba ahatongavana
any ?
Raha avy ao Maroantsetra
dia ny manofa lakana kely mandeha môtera
no mety. 3 ka hatramin'ny 8 ora ny faharetan'ny
lalana, izay miankina amin'ny fahatsaran'ny
andro sy ny lakana. Tsy misy sambo mpitatitra
raikitra mampifandray an'i Maroantsetra sy ny
tendron'i Masoala. Ny tsara indrindra dia ny
mitsinjo sambo azo antoka ialana amin'ny loza
tampoka. Matetika manonja ny ranomasina ny volana
Jona, Jolay, Aogositra.

|