Tranon-kala ofisialin'ny valan-javaboaharin'i Masoala.

Ahazoanao ireo vaovao isan-telovolana
Homano ny dianao !
 Ireo valan-javaboharim-pirenena hafa eto Madagasikara
 Zaram-potoana mifamaly
Fitsidihana an-tsary

 Ireo mampiavaka an'i Masoala
 Biby an-dranomasina
 Trozona
 Biby an-tanety
 Gidro
 Vorona
 Biby mandady
 Sahona
 Biby kely manidina
 Voninkazo

Ireo vorona

90 karazana ireo vorona voaisa ka ny 60 dia tsy hita raha tsy eto Madagasikara. Io fanisana io dia nahafantarana ny fisian'ny firasabe (Eutrorchis astur) tamin'ny taona 1993. Io karazana vorona iray io dia anisan'ny tena atahorana ho lany tamingana mihitsy eto an-tany. Ny vorndolo mena (Tyto soumagnei) dia tao amin'ny saikanosy ihany koa no nahitana azy voalohany.

Na izany aza anefa dia maro ireo karazam-borona mety hifanenana toy ny ny Vangidae, fianakaviana iray izay tsy hita raha tsy eto Madagasikara toy ny taotaokafo, matetika amin'ny tany no hita. Ny ankabeazan'ireo vorona malagasy dia tia miafina any ambadiky ny ravin-kazo any, saingy ny mason'ireo mpanoro lalana no haneho anao ny fiainan'ireo vorona ireo isan'andro anaty ala.

Ny Marotaina malagasy
dia mivelona amin'ny fihinanana katsatsaka
Ny vorondolo mena, na koa "Effraie de Soumagne" angamba no vorona tena vitsy an'isa indrindra eto Madagasikara
Ny Koa no hany vorona tsy dia mampiasa tany indrindra ao amin'ity fianakaviana ity, akaiky kokoan'ny "coucou".

Ny siketribe "Eurycere de Prevost" dia anisan'ny fanevan'ny faritra.

Pejy fanolorana - Tsy azo adika- Adiresy mailaka : info@masoala.org
Tranon-kala vatsian'ny
Tsidiho ireo tranon-kalan'ny Wildlife Conservation Society, sy ny Zoo Zurich ary ny ANGAP